<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>H. Baker</author>
<hymn_number>176</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Avia, Fanahy Masina ô !
 Midina eto aminay ;
 Fenoy ny hasoavanao
 Ny fonay noforoninao !

[V2]
 Tongava, ry Mpananatra ô !
 Nomen 'Andriamanitra
 Ho loharano velona
 Hiboiboika ao am-po.

[V3]
 Sokafy ny fanahinay
 Hidiram-pitiavana ;
 Ny tenanay malemy koa,
 Ampaherezonao anie !

[V4]
 Reseo ny fahavalonay ;
 Onòny koa ny tahotray ;
 Tantano ao an-dalana
 Hahatraranay ny lanitra !

[V5]
 Tahio mba hitiavanay
 Ny Ray sy Jeso Zanany
 Sy hitokianay Anao
 Izay Fanahy Masina !</lyrics>
<title>Avia, Fanahy Masino o, midina eto aminay FFPM176</title>
</song>